You are here: home > Vetso

Aza manadino - lanto R.

Na lavitra ahy aza ianao anio.
Ireo fiarahana hatrizay no mba tadidio.
Feno tsiahy tsy mety voafafa.
Eny,raketo ao am-po irony lasa.

Ny halavirana tsy hampiova ilay fitia.
Ny adiady tsy maintsy misy fa mba tsarovy ilay hoe: "Ho doria".
Aza manadino ilay voady nifanekena.
Izaho sy ianao ilay tsy nisy noterena.

Ny fakam-panahy tsy maintsy lalovana.
Ny foko efa lasanao tsy ataoko hisy handrodana.
Tiavo hatrany aho r'ilay silam-panahy.
Ny hoavy banjino ary aza asiana ahiahy.

Tiako ianao,tena tiako tokoa.
Ianao irery ihany no tokana ato am-po.
Ny hivadika dia sanatria.
F'efa babonao aho ka tena tia.
Manantena ny hiaona tsy ho ela.
Miandry anao ilay akany sisa tavela.

Mombamomba

Mpanoratra : lanto R.

Nampiditra : titinounous
Daty : 08/04/2018
Mpamangy : 376
Mankafy : 2
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha