You are here: home > Vetso

Antsika - Lanto

Ny lala-masakao no diaviko,
Ny zava-maminao no tiaviko,
Ny aiky sitrakao tsy laviko.
     Mandray ny tolotrao no sitrako,
     Fihoaram-pefinao no ditrako,
     Ny ambeti-kalonao no hirako.
Ny efa vitanao toa lasako
Ny ampitso andrandrainao andrasako,
Ny vodilanitrao mba tazako.
     Ny tomaninao no jaliko
     Haizin-kitrokao no aliko
     Tanan-tsikinao no avaliko.
Raiso ho anao izay rehetra ahiko,
Fo sy saina amam-panahiko,
Ny ahy sy ny anao tsy avahiko.

Sokajy : Fifaliana, Fitiavana

Hevitra mandeha

Clarys (03/10/2003 10:49:57)

Isan'ny mpanoratra mahafinaritra ahy ianao noho ianao mahita ny fivakisn-droan'ny fiainana. Dilemne moa no filazana azy amin'ny vazaha sa inona ? Tena tsara

lanto (16/10/2003 17:46:07)

Misaotra Clarys a ! :)

LEbotakely (30/06/2011 10:56:03)

Namaky indray ity tononkalonao ity androany dia lasa vinany. Aiza ianao izao. Inona no atao.
Mino aho fa mbola manoratra foana ianao.

hery (08/10/2014 16:51:07)

Tsy manoratra intsony leisy izy a :-) (na manoratra fa any am takotakona loll)

Hametraka hevitra

Midira aloha