You are here: home > Vetso

Ho ampy ve ? - Lanto

Gaga ve ianao
Raha namoaka hiaka
Ilay fony voaratra ?

Gaga raha nitraho
Ny masony baliaka
Ditsohinao tsy an-kiantra ?

Gaga raha tsy tsiky
No setrin\'ny hafaliana
Hita tsy homby tratra

Nentinao nilaza
Fa tojo tena tiana ?
Izy ange tsy zatra !

Tsiky ve dia ho ampy ?!

Sokajy : fisarahana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Lanto

Nampiditra : lanto
Daty : 29/07/2004
Mpamangy : 1978
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Segondra maromaro
Iza ?
Ianao no izy
Io no aoka ho ahy
Tsy hitia intsony
Antsika
Mahatsiaro anao
Tiana
Sampanana
Mindram-betso

Hevitra mandeha

bichette (29/07/2004 09:24:45)

oay lanto !

hery (29/07/2004 10:19:12)

Tsy ampy aloha ny tsiky
Fa ny ampy ve no ilaina?

lanto (31/07/2004 12:16:23)

oay bichette ?!!!
hery> ny ampy sao be loatra ?
tda :-)

yonikafopl (19/08/2004 16:28:44)

hery mila ovaina kely le tsiky dia ampy ao zany, dia i lanto manome hevitra we inn no mety ho ampy.

lanto (19/08/2004 19:33:39)

yonika > tokona hatao fanontaniana hoe : tsiky ve ampy ? de samy mamaly araka izay tiany.

bizzz vĂ´ ampy :))

Hametraka hevitra

Midira aloha