Ianao no izy (Lanto)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F’ianao no iza
No vitanao baikoina
Ny lalan’ny eritreritro ?
Alalana avy taiza
No anovanao loko
Izay zavatra heveriko ?
Na ny fifaliako
Toa tsy ampy fatra
Raha ts’isy ho anao
Ny zavatra iriko
Tsy mety hahazo laka
Raha tsy ho sitrakao
Ka hoy aho manontany
F’iza loatra ianao ?

Fa ianao no iza ?
Gaga aho ! ka lazao
Fa mahalasa saina
Raha mba mandinika aho
Ny manana anao
No adikako hoe miaina
Ny fadifady ireny
Ny didy sy ny adidy
Ataoko aoriananao
Tsy misy ny lalana
Ny fetra, fahotana
Raha tsy navoakanao
K’iza ? iza loatra ?
Fa tsy haiko intsony ianao ?

F’ianao no iza
No zary toy ny tsisy
Izay talohanao ?
Ianao vao tonga iny
Dia henoko nitempo
Ny foko ho vaovao
Moa aza ve ho tiako
Mihoatra noho ianao
Ny rà avy amin’ny rako ?
Na lavitra aza ianao
Ny anaranao voavetso
Sy hany mba ihantako

Tsy ilaina maminany
Fa ianao no “izy”

26/03/2003
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4267 4
Hevitra mandeha
nikopol ( 29/09/2005 17:22)
Izy no izy zany lol
tena tsara le tononkalo ka nomeko isa 5. tsy afaka nanome mihoatra izay za fa zafady, raha nisy noty plus de nomeko
lanto ( 30/09/2005 13:05)
nikopol> misaotra e ! :)
ponita ( 30/09/2005 13:30)
aoka fotsiny!
damekely ( 08/10/2005 05:07)
Tena olona babo toa ahy lé mpanoratr r'ireto a.Milay b.Isa:5 b zao.Dame kely
fara ( 10/10/2005 13:26)
tena hafakely njay a,izalôtra enao,iza wa lazao,ampioan'zany r'se a
lanto ( 12/10/2005 08:18)
dame kely> mirary soa e !
fara> tara loatra ise fa efa voadika :) Ary avoahy amzay le any ambany ondana ireny e !
rasery ( 19/10/2005 03:58)
Tsara
Tohizo hatrany ny talenta ary mirary soa ho tojo @ avoavo kokoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lanto
Nampiditra : lanto
Daty : 29/09/2005 15:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01