You are here: home > Vetso

Iza ? - Lanto

Iza no hizarako
Ireo hirahira mamiko
Raha toa ka tsy ianao ?
Iza no hilazako
Ny embona sy haniko ?

Iza no hahalala
Ireo teny tsy voambara
Tanaty masonao ?
Iza raha tsy izaho
No hahatsapa izay sahala ?

Iza, afa-tsy ianao
No hahay hitantana ahy
K'izaho tsy mba hanahy ?
Iza kay, lazao,
Ilay silaka fanahy ?

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

pissoa (04/02/2007 22:00:50)

Tsara izany soratra izany marina !

Omeko isa dimy mihitsy.

lanto (07/02/2007 12:22:27)

ouéééé
Ny an'i pissoa koa manja ka! :-)

raozigasy (17/02/2007 17:28:44)

iza no hifaharako
amin'ny andro sarotra
raha toa ka tsy eo ianao ?


nikopol (19/03/2007 12:56:37)

iza njay zao io ? lollll

lanto (19/03/2007 17:31:50)

raozigasy :)

Iza no hitokiako
Raha tsy ianao ho tiako
Hatramin'ny faran'ny tantarako ?

nikopol> mody fanina njay niko :-p

Hametraka hevitra

Midira aloha