You are here: home > Vetso

Mahatsiaro anao - Lanto

Nitsahatra ny orana
Nihiratra ny andro
Toa nampisinda olana
Nampihandrohandro
     F'izaho mahatsiaro anao

Eny an-dalambe
Olo-marobe
Hamonjy ny fodiany ?
Havany ? Olon-tiany ?
     F'izaho te-hahita anao

Zaza mivorivory
Manao kisatady
Mpiasa tany mody
Miantsoroka angady
    F'izaho manina anao

Rano mikoriana
Injao misasasasa
Ny tonotolo sina
Vinaniko no lasa
     Mitondra any aminao

Tsioka takariva
Manafosafo tava
Masoandro iva
Sy tanety lava
    Izaho mahatsiaro anao

Fiana-mahazatra
Zavatra fanao
Ny embona tsy tratra
Miantefa any aminao
     F'izaho tia anao.

Mombamomba

Mpanoratra : Lanto

Nampiditra : lanto
Daty : 11/10/2003
Mpamangy : 8362
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Segondra maromaro
Iza ?
Ianao no izy
Io no aoka ho ahy
Tsy hitia intsony
Antsika
Ho ampy ve ?
Tiana
Sampanana
Mindram-betso

Hevitra mandeha

limma (25/10/2003 13:48:03)

mahafinaritra ahy le tonokalo tsotra fohy nefa mahalaza ny rehetra ao antsaina rehefa njay fa MAHATSIARO. tohizo e

Solofondrandimby (16/02/2004 11:17:59)

Manao ahoana ry Lanto a! mba tiako ho fantatra ny antony nampidiranao io tononkalo io, zay marihina fa tsy anao moa zany fa an'i Ntoul. Tena mba ilaiko fantarina fa mba valio.Misaotra

lanto (17/02/2004 21:00:44)

Lanto ihany no Ntoul ry Solofomandimby :) Tononkalo t@ "mbola kely" io, dia nampidiriko fa sendra hita indray e !

moi (10/08/2004 14:39:18)

ary ilay nanoratana azy ve ... tena lasa ...

lanto (11/08/2004 20:21:57)

lasa ? lasalasa...

Hametraka hevitra

Midira aloha