Tiana (Lanto)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIANA ,

(ilay efa tiana
sy nirina
hatry ny ela, mbola tsy hita,
mbola nofy ....!)

Izay rehetra noheveriko
Izay fitia mba tratry ny heriko
Hatrizay
Zava-poana !
Izay mba vita, rehareha,
Nahazoana laza, dera;
Mihoatra aminao izao
Moa tsy toy ny dongom-pasika
Lalovan’onja dia hianjera ?!

Ny ranomasoko havozona
Nandaniako ora maro
Ny fotoana nampisaona
Izao ? hadino ny antony aza !
(Hehy)
Fetifety sy korana
Nahafaly sy tamana
Toy ny tsy ho foy hialana
Toa tsy inona akory
Mety hitondra sorisory
Raha tsy eo ianao hanova
Amin’ny fisianao monja
Ho lapasoa na dia ny fonja.
Satria efa misy anao
Tiana !

Irony hiran’ny fitia
Novetsoiko nahazatra
Teny mamy, tambitamby
Izao vao tena reko fy !!!
(tsiky)


F’efa nentinao ka fantatro
Ny tena mamin’ny fiainana :
“Mitia anao :
mampianatra mamindra,
sy mifaly amin’ny dingana tsirairay izay vitanao,
miaro anao tsy hovoafingana,
mihaino anao mibadabada,
mijery anao mifaly havanja”
Ary indrindra
maka Hery avy aminao
dia fenoina indray ny fo hasambarana vaovao

F’ianao no Tiana
Tiana Marina e
Tsy hosarako rahoviana !
Tena namako
Zanako !

NENY.
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
4173 3
Hevitra mandeha
hery ( 26/05/2004 19:54)
Ndryyy.
Tiako be ny tonokalon'i Lanto.
Mirary soa ho an'i Tiana.
Oully ( 27/05/2004 16:54)
Andrayyyy!!! tretrika ianao ry Neny. Manoroka an'i Tiana! (direktrisy).
lanto ( 27/05/2004 21:28)
Sôtra e !
fara ( 10/10/2005 13:49)
Ndryyy efa lehibe izy zao e,tiana tsaroako iany na d mbola tsy hitako aza
fara ( 10/10/2005 13:58)
Ndryyy efa lehibe izy zao e,tiana tsaroako iany na d mbola tsy hitako aza
hery ( 11/03/2019 16:20)
Namangy tato indray aho nihaino... :-)
Anarim ( 10/02/2020 15:53)
Ndriiii tsara ery... Manganohanom-pitiavana ny masoko, tsy alahelo fa fihetseham-po mitosaka... Efa vehivavy lehibe izao i Tiana...Mirary soa indrindra...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lanto
Nampiditra : lanto
Daty : 26/05/2004 10:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011