Tsy hitia intsony (Lanto)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" Tsy hitia intsony
Tsy hitia intsony "
Hiakan-katezerana,
Hiakam-pahoriana
Nasesiky ny fony.
Tsy vitany noferana
Fa hiaka be kirina
Tsy hiato, tsy hitony
Raha tsy valian'ny akony :
Intsony, intsony, intsony.
Tsy hitia intsony
Baiko tsy tsaroany
Mandidy ny fisainany
Tsy azo ifandaharana,
Italahoam-pitserana.
Izay no tiany hiainany :
Tsy hitia intsony…
Na hangalatra hitia
Ka mody hankahala
Fa tena hamanala
Fa izy mamo irony
Hahatsaravelatsihy
Ka ny Tsy hitia intsony
No fenitra noraisiny.

Ntoul 18/09/97
--------
Rohy:
17299 5
Hevitra mandeha
kally ( 02/05/2005 18:23)
Raha hain'ny saina ny nibaiko ny fo dia tanteraka tokoa ny tsy hitia intsony,saingy tiana foana ny "hitia" raha mbola misy fanantenana ary ny fanantenana misy foana raha mbola nifidy ny hiaina.Tiava indray moa e!
Elihangy ( 14/01/2010 07:51)
aza manao an'izany fa mitiava foana!
mitiava foana, mitiava hatrany
f'izany no ilaina raha mbola eto an-tany
fa na ho aiza na ho aiza, ny fitia tsy ho lany
ka dia mitiava foana, mitiava ihany

tsy mahay zà fa mba mamoromporona fotsiny
toran'ny hehy izao zé mamaky an'io!!!!
sethkely ( 20/11/2012 08:00)
Ny fitiavana tsy hay baikona tsy hay fefena ary tsy azo ferana, fa avy amin'Andriamanitra ka Izy ihany no afaka mandrindra na mitondra ny fitiavana.
Noho izany dia tsy afaka hiteny ny olona hoe "tsy hitia intsony" ra tsy efa maty angaha !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lanto
Nampiditra : lanto
Daty : 01/10/2003 22:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105