You are here: home > Vetso

Malala lavitra ahy - Lantorose

Raha misy manontany
Dia hoe efa manambady
Any an kafa indray mitady
Fa ny foko efa babony

Anefa izaho matory
Irery am pandriana
Tsy manana olo tiana
Handrotsirotsy akory.

Raha misy koa mikitika
Manintona ny tanako
"Mialà fa halako"
Tsy ilaiko akory

Anefa zarako aza
Fa mba mampangoritsina
Ty vatako efa ela
Ts nandre ny safosafony

Misy maka ny laharan
Ny finday fampiasako
Fa voafilafila
Na dia homeko ihany

Nefa zarako aza misy miantso
Ilay finday mankahia
Miandry ny antso an tarobia
Rehefa izaho mba tsiarony

Zarako aza misy izany
Mba hanamaivana ny aretina
Noho ny alaheloko AZY
Ilay Malala Lavitra Ahy.

‪#‎Lantorose‬

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Lantorose


Nampiditra : hery
Daty : 03/02/2015
Mpamangy : 1917
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ny andro anio

Hevitra mandeha

Rafieritreretana (03/02/2015 09:58:07)

(...)

Injao mandriaka avy ao anaty andian-tseto manadala
Ary adin-tsaina maro no mikiky ka tsy tanty
Sembana tokoa ny fo mantsy lavitra malala
Saingy ny afon’ny fitia amindroany tsy mba maty. (Hasiniony)
...
Koa miangavy anao ry foko tiavo ilay mitia anao
Lay fitiavana natolony tano mafy de hajao. (Kiriah)

Arofanina (07/02/2015 06:10:32)

Raha ory fitia izato ianao re rahavako
Avia hovokisako fa izaho manana amby
Fihiniko ianao fa mba orohy ny tavako
Dia hosafosafoiko sy homeko tambitamby

Arofanina (07/02/2015 06:10:32)

Raha ory fitia izato ianao re rahavako
Avia hovokisako fa izaho manana amby
Fihiniko ianao fa mba orohy ny tavako
Dia hosafosafoiko sy homeko tambitamby

Hametraka hevitra

Midira aloha