You are here: home > Vetso

Fo Mahantra - Lay-Anja

Mahantra ilay foko
rehefa mba mitia
fa toa misalasala
te haka ny anjarany,
Kanefa na ny lahatra
tsy mamela azy hitia
tsy mamela azy hifidy
izay mba tokony sahazany.

Mahantra hoy aho 'lay foko
fa toa tsy mba afa-manoatra
na mba te hanana
izay iriany sy mba kanto,
Angamba koa resin'ny fahantrana
ka tsy mba afaka mitroatra
ary tsy mba afaka hitia
izay olo-nambabo.

                 Lay-Anja

Mombamomba

Mpanoratra : Lay-Anja


Nampiditra : anjanirinastanislas
Daty : 15/05/2018
Mpamangy : 308
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Mahay mionona
Hanadino anao

Hametraka hevitra

Midira aloha