You are here: home > Vetso

Hanadino anao - Ankamantatra

Raha ny foko sy ny saiko
tsy ho voafehiko tsy hitia
Tsy ho vitako ry aiko
ny tsy hieritreritra an-dry

Efa niezaka aho namafa
ato an-tsaiko ny momba anao
Nefa toa vao mihalalim-paka
ny fitiavako anao

Ny hany sisa azoko atao
dia ny hanadino anao tanteraka
Fa ny amiko sy ny aminao
angamba tsy ho tanteraka

Na ho sarotra aza izany
dia voatery tsy maintsy iainako
Mino aho fa any ho any
ilay anjaran'ny fitiavako

                  Lay-Anja,

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Ankamantatra


Nampiditra : anjanirinastanislas
Daty : 22/04/2018
Mpamangy : 280
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fo Mahantra
Mahay mionona

Hametraka hevitra

Midira aloha