Tsy afaka (RNofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa ho verivery maina ny tolom-panafahana
'Zay nataon'ireo mpitolona tamin'ny fanjanahana?
Ràny no nandriaka dia ho fanavotam-pirenena
K'aza atao tsinontsinona, ary aza hosihosena

Izy ireo aloa dia afaka fa isika izao voageja
Andevozim-pombampomba tsy afaka mankaiza;
Hatramin'ny fitafy sy fiteny, toy ilay tamin'ny "cinéma"
"Miseho ho "Qu'est ce qu'il y a" nefa botom-bazaha"

Na kely na lehibe hatramin'ny hantitra sy tanora
'Reo fahendrena nolovana, toa manjavona isan'ora
Mieboebo sy miseho fa azy tokoa, hono, ny fahaizana
"Dia gaga ianao" raha mahita ireo vahiny izay mitazana
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RNofy
Nampiditra : RNofy
Daty : 03/04/2014 06:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098