Indro re ny foko (Le Reveur)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro re ny foko,
Omeko sy hafoiko
Ho anao manontolo,
Ka ataovy tsara kolokolo.
_
Indro re ny foko,
Afoiko,tsy arahiko toloko,
Ka aza ampijaliana
Fa tsenao am_pitsikiana.
_
Indro re ny foko,
Tsy ilay mora miova loko,
saingy mora misy tasy,
Koa mba raiso tsara dia fonosy an_taratasy.
_
Indro re ny foko,
Kaloiko sy ventsoiko
hoe:"Tia anao tsy an_tery"
Ka aza avela hanirery.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1018 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Le Reveur
Nampiditra : le reveur
Daty : 10/10/2015 11:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126