Domoinam-pifaliana (Lebota)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Domoina kely roa nateraky ny fo I Tsitoh sy Ashitah
Tsara volo tsara bika milambolambo-tava izy mianadahy
Kilalaon’ny fo, fifalian’I Mama, fifalian’I Dada isan’andro lava
Ka na alina matory na andro mibaliaka dia tsiky manazava.

Itsy zokiny mailaka ny teniny f’efa hainy ny miresaka
Tsisy very aminy ny resaka rehetra na henony in-dray na henony im-betsaka
Ilay zandriny etsy an-daniny miezaka miteny manaraka an’I zoky
Ka na ny badabadany na ny antsoantsokeliny dia mbola resaka boloky.

Mifankatia tokoa fa na miara-milalao na miara-miandry masaka
Na miadiady kely aza dia ny tsiky sy ny sangy no hita tsy mba tapaka
Indraindray itsy zokiny somary te hasiaka an’ito zandrikeliny
Saingy ravan’ito hehy aposaky ny tsikitsikin’itsy zandry anjelikeliny.

Hany ka rehefa lavitra tsy hita ireto domoina mpanome hafaliana
Dia tsisy azo atao hafa tsy ny mijery sy manoroka ilay sarin-janaka efa liana
Te hahita izato Rainy lasa lavitry ny asa sy ny adidy izay tsy vitan’olon-kafa
Fa tsy maintsy hiverina hifaly afaka fotoana fohy hifalifaly, hihomehy hikakakaka.

Fa ny zanaka ihany no mahafaka ny jaly tsy mety sitrana sy ny ratra manahirana.
Lebota
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1910 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : LEbotakely
Daty : 30/06/2011 10:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014