Ho anareo roa ! (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy olon-droa toa mifankatia
Tsy nifampilaza akory fa hiarak'ho doria
Kanefa ny iray toa tena manantena
Fa tsy maintsy hisy hono ny fotoana hifanekena.

Miandry vintana va re sa ny lahatra no toaviny?
Sao dia tsy tsarony fa ilay olona notiaviny
Dia efa an'olon-kafa, efa vita "soratra, sonia"
Ka na hanizingizana aza efa lasana i lery.

Eny é ! Tsy izaho na izy no mpandahatra ny ho avy
Saingy kosa ny inoko dia lavitra ny sainy ny hoe hanambady
Efa fombany iny mandalo dia miverina, dia toy izany ihany
Ka aoka ianao hanaiky fa ny anareo roa dia mbola sipa ihany.

Tsy latsa ny ahy ny teniko fa ny zavamisy no lazaiko
Sao any afara ianao hanenina...raha mba nohaiko
Ka rehefa misy olon-tia anao ka tena tianao
Dia mandehana ka afoizo dieny izao ilay mbola "sipanao"

Tsy mibaiko anao aho na manao didy jadona
Namako ianao ary tena haiko fa olo-tsy miavona
Nefa efa nolazainy im-piry angamba izay
Fa ianareo sy izy tsy hivady na izao na ho mandrakizay.

Mahereza amin'ny fitiavana fa lalàm-piainana izany,
Ary aza asiana fendrofendro na arahina tomany
Fa diniho tsara ataovy tena lalina, fa "conseil d'ami"
Ka na manirikiry aza "izahay dia mbola tia"
Ary tia anao foana izy.

Lebota
(Ho anareo roa nifankatia noho ny net hi hi hi hi)
--------
Rohy:
1796 0
Hevitra mandeha
Oully ( 16/05/2004 14:17)
Hmmm!!! zany hono ny hafatra eh!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 15/05/2004 18:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153