You are here: home > Vetso

Ho an'i hery - Lebota

Angamba kosa tsy ho tsiniko
Raha ny vatan'olon-kafa
Tsy natokana ho ahy
No terena ho fihiniko.
Tsy ho tsiniko satria
Izay terena mba hitia
Tsy araka ny sitrapony
Dia olona voageja
Tsy manan-jo intsony.
Ka n'iza n'iza hanery ahy
Na Hery na Anjely na Fanahy,
Rehefa tsy ny foko
No hamoaka izay ho sitrany
Dia manere izay manan-kery
Am'izay an-tery vitany
Fa ho rava ts'isy dikany.
Izay te hamono mamonoa
Amin'ny heriny rehetra
Fa ny foko tsy hivoha
Raha hanaovana amboletra.
Manenje izay manan-kery
Ampiasao ny tetikao
Fa ts'izany velively
No mampihontsona ahy izao.
Manere izay manan-kery !
Lebota

Sokajy : Hambom-po

Hevitra mandeha

hery (03/10/2003 11:19:39)

Salut lebota. Sûr indray fa voaray ny message tamin'ity tononkalo vôlohany napetrak'ialahy ato ity. Hovaliako raha mahatsiahy... Jereo atsy ho atsy... "Fahafahana" na ny mitovitovy amin'izany.

hery (03/10/2003 11:51:54)

Ny valiny dia ilay hoe "Ny fahafahako" izay nosoratako teo.

Ryana (04/10/2003 14:40:55)

Izao izany ny atao hoe "sur mesure"?
Tsara ê!
Ryana

Hametraka hevitra

Midira aloha