Resim-bavy? (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resim-bavy !
Resim-bavy hoy ialahy! fa izay vehivavy iray
no mamono ny fanahy.
Resim-bavy ! Eny é ! Izay filazanao ry zandry
Anao izany ! Tano, ento-mandry!
Ahelezo, ataovy ren-danitra, ataovy ren-tany.
Tsy hampihena velively ny fitiavako azy izany !

Resim-bavy !
Resim-bavy izaho angamba ! Ekeko sy zakaiko
Fa anjara fijaliako.
Resim-bavy ! Tsy manahy na haningotra ny aiko
Ny filàko ny olon-tiako.
Aleo ho resy raha ho resy, na ho faty na ho lo
Aleo aho ho lasa adala, very saina, vaky fo,

Resim-bavy !
Ny resy anefa...moa ve tsy olona sedraina?
Moa ve tsy olona hiezaka hiandry ny maraina?
Moa ve ny resy...tsy afa-manantena "ny fiverenanao"
Ary ilay mandresy, raha izany no anarany,
Angaha tsy misy fo mitempo, ka tsy hahazo ny anjarany?

Tsy resim-bavy izany letsy zandry a !
Tsy izany no fiteny io karazan-olona io.

Resim-pitia izy fa ilay tiany, tiany be
Dia lasan'olon-kafa : tsy tamana fa nandeha.

Resy izy ! ekeny izany !
Miondrika manaiky, mitomany izy androany.
Resy izy ! Vaky fo, lavo, nefa hiarina hanohitra ny ankaso
Satria ny tena lehilahy, tsy hoe dia mitomany fa
"latsa-dranomaso"!
Hiarina izy rahampitso ! Hanangona ny heriny !
Tsy hoe hamoi fo ! Sanatria !
Fa hiandry ny fiverin'ito diso trano, very dia.

Tsy resim-bavy akory !
fa lehilahy ihany !
Lebota (Clarys)
--------
Rohy:
2485 1
Mpakafy: Onjarliva
Hevitra mandeha
hery ( 06/05/2004 00:19)
(Valin'ny Resim-bavy an'i Lebota)

Misy ady manirery
Mety sedram-pijaliana
Nefa mampitombo hery
Raha toa ka tena tiana.

Tsy resy ialahy fa niova ady

rinakely1 ( 25/06/2005 23:07)
mahafinaritra ahy ny mamaky ny tononkalonao.
ngah d tena tia b any viavy io enao ra-namana?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 05/05/2004 07:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0267