Te handao anao ! (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hanoratra aho androany
hilaza aminao
avelao hivalona any
iza fiarahantsika izao.
Te hanoratra aho hilaza
hanambara ankitsirano
saingy ho aiza ireto zaza
Ho aiza koa ny tokantrano?

Tsy hoe nanenina aho anio
raha mihevitra toa io.
Fa mbola te hiverina
amin'ny lasako taloha
ka tiako hitamberina
fony isika roa
isika roa irery
nampiaraka eny foana
tsy nisy zazakely.

Te hanoratra satria
tsy ho vitako amim-bava
ny hilaza aminao
nefa tsapako mazava
izay teny avalinao,
hoe : tsy matotra aho.
Tsia ry sombinaiko, tsia ry havako
Matotra ny foko toy izany ny fitiavako
Saingy mahamanina ahy iny
ianao nosantariko fony mbola virijiny !

Tsy manenina aho fa manina !
Tiako loatra manko ianao, tiako foana tena marina !

Lebota (Clarys)
--------
Rohy:
1666 0
Hevitra mandeha
Oully ( 12/05/2004 10:57)
Ahoana indray ity tonokalonao ity ry Lebota ? Mampieritreritra.
Clarys ( 12/05/2004 17:58)
FA ahouna ry oully a ! Eny é ! Mampieritreritra satria misy fotoana tsy maintsy hiverenan'ny tamberina ho an'ny mpifankahita naharitra hatrany ampiandohana anie. Tsy hoe hamoy akory izy fa manina ilay "paoma" nohaniny fahiny é ! Tantarana sipakely iray nilaza ny tsiambaratelony tamiko io kah ! Misaotra amin'ny famakiana ny mba hany vitako.
Ho an'ny fiarahanareo...koa hi hi hi hi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 07/05/2004 07:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103