Tompo ô ! izao no vavako (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô ! Izao no vavako
Ao anaty fitsapana
Mahasanganehina ahy,
Manoloana an'i Satana
Sy ireo fakam-panahy
dia
Ianao no tiako mba hitana,
Ianao no tiako mba hamaha
Ny fatoram-pitiavako,
nafatotry ny hafa :
Fanahiniako na tsinahy.

Tompo ô ! Izao no vavako
Ao anaty fahakiviana
Mampanjombonjombona ahy
Ao anaty fijaliana
mahavelona ahiahy
dia
Ianao no tiako hankahery
Ianao no tiako haneho amin-kery
Ny fitiavanao ahy,
Natakaloko olon-kafa
Sitrapoko na an-tery.

Tompo ô ! Izao no vavako
Ao fahalemena
Mampiraviravy tànana
Ao anaty faharesena
Mahalany ny fananana
dia
Ianao no tiako mba hitia
Ianao no antsoiko ka avia
Hamerina ny foko
Lasan'olon-kafa
Diso trano, very dia.

Tompo ô ! Izao no vavako
Ao anaty mamanala
Mampangovigonvitra ahy
Ao anaty adalana
Sy haratsiam-panahy
dia
Ianao no tiako hanafana
Ianao no tiako hitantarana
Ny fahantran'ny fitiavako
Nilaozan'olon-kafa
Olon-tiana tsy tamana.

Tompo ô ! Izao no vavako
Ao anaty hasarotana
Mampivadik'atidoha
Ao anaty varahontsana
Mahajemby maso koa
dia
Ianao no tiako hisarangotana
Ianaono tiako ho fanavotana
Ny farasisan'ny fitiavako
Natosik'olon-kafa
Nafindra toerana, nongotana.

Tompo ô ! Izao no vavako
Ao anaty fahantrana
Mampisento lalina ahy
Ao anaty fahosana
Mahavalaketraka ahy
dia
Ianao no tiako ho tonga
Ianao no antsoiko vetivety monja
mba hanasitrana ny foko
Noratrain'olon-kafa
Voafatotra, voafonja...

Tompo ô ! Izay no vavako.

Lebota (Clarys)
Tononkalon-jatovo relijiozy izy ity saingy resim-pitia koa izy.
--------
Rohy:
1769 1
Mpakafy: hery
Hevitra mandeha
hery ( 07/05/2004 10:54)
Dia tsy nandaitra ve izany ilay vavaka?
Clarys ( 07/05/2004 20:58)
Tsy hoe tsy nandaitra kah ! Ohatran'ny savony io manao ny asany, mandio fa misy ankanjo tsy voadion'ny savony intsony é ! Mila kosehina @ brousse na alona iray andro na lasa chiffon mihintsy aza !...
nyeja ( 08/05/2004 05:11)
mahafinaritra ny tonokalon'i lebota clarys mba tiako fantatra, lehilahy sa vehivavy moa dia afaka mifanoratra aminao ve ?
nyeja
LEbotakely ( 27/04/2012 08:04)
Afaka mifanoratra tokoa isika ry Ny Eja a!!! Raha mbola tinao de omeko anao ny adiresiko.
humaclar@yahoo.fr
dia samia ho tahian'Andriamanitra, mahereza manoratra fa izahay mamaky ny asa-soratrao foana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 07/05/2004 07:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151