MAMIKO (LOVA (ANDRIATINASOA Mario Dino))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa mitsimoka ho azo tsapaina
any anatin'ny foko ny fitiava-namana.
Efa manjavona koa ny taraina
raha toa ka miloko ilay hoe tolo-tanana.

Fa efa impiry nisedra ny mafy,
efa impiry nisedra ny ratsy??
Efa impiry no nialangalana
raha ts'isy namana?

Eny akia
ho doria
ka ho mandrakizay
ny fiarahantsika.
Eny akia
ilay fitia
nampitambatr'ho iray,
aoka hisioka;

Fa hafa ihany ny akama
ao anatin'ny ady mafana.
Tokana amiko ianao
mitaha amin'izao rehetra izao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiava-namana
976 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LOVA (ANDRIATINASOA Mario Dino)
Nampiditra : dino2016
Daty : 27/08/2016 11:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093