You are here: home > Vetso

FANIRIAKO - Lova miar'shu

Ny ahy no faniriako,
raha mizara ireo asasoratro.
Dia ianao no safidiako,
hampiely izay voasoratro.
        Ny hany fikasako anao,
        tsy ianao ho mpankafy.
        Fa hitariako anao,
        Ny lalam-piainana ety!
Ny hany iriako hambara,
amin'ny diampeniko,
hamantaranao ny ratsy sy ny tsara,mba tsy hisian'ny neniko.
         Fa ny hany tsy adinoko,
         ilay ianao tia manakiana.
         Nefa ireny tsy ahoako,
         toa vao maika aza tena tiana!

Hametraka hevitra

Midira aloha