IANAO (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa ianao raha vao hitako,
andrianiko ary sitrako,
reo toetra na fihetsika.
manambara fa dia mendrika!
Ny maso maotina fijery,
nahasarika ahy hiteny,
fa hafa ianao no mamiko,
tena soa sady haniko!
Hafa ka hitokisako,
ekeko f'efa tiako,
hafa nefa miavaka,
iriko mba ho ravaka!
Hafa noho ny hafa ianao,
ka manantena aho ho anao,
hamafisiko sesilany,
hafa ianao raha eto an-tany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1457 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 12/05/2015 06:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147