ISIKA TIA (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha iny isika nifankahita,
toa nisy hevitra niampita,
tsy noho isika akory,
fa ny fisian'ny fo mitory.
Naneho ilay fitia,
nahasambatra ery,
tao anaty fitsikiana,
zay nandrava ny hakiviana.
Raha iny isika nifanena,
toa nihakanto izay jerena,
tsy noho isika anefa izany,
fa noho ianao tsy tia tomany.
Raha iny isika nifandray,
toa nimpody ireo tsiahy,
tsy noho ny eritrerintsika,
fa noho ilay fitiavana nasiaka.
Raha iny isika nifandao,
toa injay lay feo fa nitalaho,
tsy noho izaho sy ianao anefa,
fa noho ilay teny diso fiantefa.
Mpanoratra:Lova miar'shu na Nantenainarivony lova
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1541 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 12/04/2015 07:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142