RY FOKO (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry foko kely feno fery,
ianao toa misitery,
raha zohina tsy mba hita,
nefa indrisy toa maditra!
Hanananao ny toetra ratsy,
ny lonilony mety hahafaty,
hasomparana nafafy,
moa ianao tsy efa tasy?
Ry foko rako-pankahalana,
he! ianao minia adala,
mahery setra,mora sendaotra,
ka manao teny diso tafahoatra.
Ry foko be rendrarendra,
rariny ianao raha tsy hateza,
fa variana milalao,
tsy misaina izay atao!
Jereo anie diniho!
Firifiry re anio?
Ny manam-po madio!
--------
Rohy:
1505 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 22/04/2015 10:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103