You are here: home > Vetso

SORATRO - Lova miar'shu

Azo vakiana?

SORATRO
Sarotra tononina raha ny anaranao,
nefa kosa manan-danja izato endrikao,
na zovy n'aiza n'aiza dia tena tianao,
ry soratro o! nankaiza ireo tsipelinao?
Ovain'ny zava-misy ny fiainanao,
tena adino mihitsy ny maha-izy anao,
tsy voahaja intsony ny kanto ao aminao,
f'efa nilaozan'ny toetr'andro ny diam-peninao!
Rotidrotika sady rava ianao ankehitriny,
ry soratro o! nahoana no nomena ny vahiny?
Ireny sata hanananao novonoina ts'isy tsiny,
fa ny an'ny hafa norantovana hiadidiny!
Ankizy,tanora namotika anao avokoa,
ry soratro o!Rahoviana no hitondra zava-tsoa?
Ireo olona taloha niaiky anao fa tsara,
Ry soratro o! miverena eto Madagasikara!
LOVA MIAR SHU

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Lova miar'shu


Nampiditra : miderasoa
Daty : 09/04/2018
Mpamangy : 503
Mankafy : 4

Tononkalo hafa

VAVAKA
MPIRAHAVAVY ISIKA
RY LAY NOTIAVIKO
MBOLA TIA
GASY
NAMANA
TENINDRAZAKO
FANIRIAKO
NY MARINA
ADINOY IZY