"POEZIA" (Lova Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy kely ange ka mba tazanonao erÿ!
F'ireo poeta manontolo no mikalo poezia,
Miparitaka manerana iny habakabaka,
Otronin'ny kintana maro tsy an-kanavaka.

Rehefa hitany aho,dia mba nohantony,
Nantsoiny hiakatra eny mba hiaina ny tontolony,
Hivetso poezia anaty tara-diavolana,
Ka feno ny hazavana,tsy nisy notakonana.

Endrey ireo poeta fa sondriana dia sondriana,
Mikalo poezia sy rima kanto mahavariana,
Dia mba nokaloiko ny ahy,ka re nanakoako,
Narahim-peom-baliha nandrotsirotsy tsy an-kiato.

"Iny ianao ry volana,iny ianao ry kintana,
Toa mifanjohy hatrany sy mifampitsapa vintana,
Sambatra izahay fa afaka miriaria,
Etÿ an'habakabaka mivetso poezia.

21 Martsa 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova Ny Aina
Nampiditra : LNA7
Daty : 09/06/2017 12:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177