Fitia mitsimoka (Lova)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoana tsy nampoizina, toy ny andro mahazatra
Habakaba-dohataona, tsisy oram-batravatra.
Reradreraky ny adidy, sy ny asa valalanina
Te hanala hamohamo, te-hipetraka milamina
Toa kisendrasendra ihany, tsikitsiky miramirana
Dongalahy moa ny tena ka facebook no nidirana.

Teo indrindra no niserana, toa irak’Andriamanitra
Olona mpifankalala, tafaresaka tsy nahy
Nilazako tsy ankitandrina fa fitiavana maharitra
No tsiriritiko aok’izany, sy andrasako mba hoahy
Manana namana aho hoy izy, aoka kely ianao haharitra
Fa hiresahako izy, ka aoka ianao tsy hanahy.

Nanamafy ary ilay olona fa tsy hanenina aho
Raha toa mifankahita, ka hifampitompy maso
Izaho moa nazoto, ka nanasa tsy ankisala
Sao izy ilay nandrasako, ka liana aho te hahalala
Raikitra ary ny fotoana fa ny asabotsy ihany
No iandrasako ny marina sy ny hoaviko eto antany

Tamin'io maraina io, efa tsy andriko sahady
Nidobodoboka ny foko, manantena sy miady
Tiako hifanena mafy ilay tia sy ilay manina
Ka ny maraina manontolo no tsy nahantelin-kanina
Fenofeno, manantena nefa feno fanahiana
Ho diso ve ilay anjara, sa ho tojo ny olontiana ?

Vao nahita anao ny masoko, niontana iray ny foko
Nisy zavatra naningotra, tselatr’afo indray mipika
Toa tsapako sahady fa hisava ny toloko
Fitiavana indray nitsimoka, tena mila hampihiaka
Ny resaka nifanaovana, sy ny lalana nodiavina
Nampitambatra antsika, tena anjara tsy azo lavina.

Mason’andron’io ihany, tsapako aho fa babonao
Azoko antoka f’ianao ilay nandrasako hatrizay
Ka ny foko manontolo no natolotro ho anao.
Ny fitiavako rehetra, ho anao mandrakizay…


Lova ( 02 février 2012 )
--------
Rohy:
1277 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : Richieux
Daty : 28/01/2013 15:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104