Lavitra ny fo (Lova)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lavitra ny maso
(Loi de Newton)

Voalaza ombieny ombieny
fa ny hery izay manintona
ny roa hifanantona
dia mihena arakaraka ny halaviran-toerana
manasaraka azy ireo.

Amiko tsy marina!...

Satria ianao ry Nosiko,
na halaviriko aza ny morontsirakao
dia vao maika koa voasintona
ny nofo sy fanahiko
hiverina hifikitra
ho tia anao hatrany.

Voalaza ihany koa
izay lavitra ny maso hono
lavitra ny fo.

Mbola tsy ekeko ihany !...

Satria na lasana aho,
ka lavitra ny vatako,
dia tsapako hatrany
fa ny foko manontolo
no eo anilanao ry tiako.







Lova
31 May 2019.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fitiavana
779 1
Mpakafy: orabory
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : orabory
Daty : 31/05/2019 11:57
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142