Manahy aho (Lova)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo masonao mijery, mibanjina ahy malefaka,
Ngarangara toa kanety, mivolombatolalaka.
Manganohanom-pifaliana, toa miantso, toa miresaka
Nahitako ny tandindoko, toa vonona hifanaraka.


Ireo tsiky miramirana, toa volantsinan-kateloana.
Nampitranga ireto nify, rarivaton-janahary,
Nampitony ny fanahy, nampitsiky ireo misaona
Nahamirana ny tava, nanafaka ny maharary.


Ireo tananao malefaka, nakasikao ny tavako.
Mitafy rantsana manify, hatsatratsatra sy mandina.
Feno vainga-katsembohana, toa mangovitra tsy miato
Satriko hanavatsava izany tena tsy ankitandrina.


Ny molotrao malandy izay natohokao ny molotro.
Mena hoazy tsy lokoina toy ny an'ny zazakely
Mangatsiaka, matimaty, toa sakafo ratsy tototra
Nanakipy ireto masoko, fa mamy toa tantely


Ilay nofonao malemy anaty vatanao tanora.
Tsara voatra toa anjely tsy nandalo fahotana.
Toa naloaka tao ambava, ka nivoaka moramora
Nobedaiko, nolalaiko, lasa lavitra aho tsy tana.


Ireo anefa tsy ho ampy, hilazako ny fitiavako.
Ireo no mamy antsoson-koditra, toa loharano tsisy fetra.
Tsy azo ifikirana ela, fa ny akony efa tazako
Fa ny tena paradisa, ao anaty no aoka hitoetra.


Fa ny fitiavantsika manko, lalimpaka noho izany.
Fitia nitsiry fahazaza, sarotra ny tsy hitsetra
Efa nisy fisedrana, sy fotoana maro lany.
Niorim-paka hatrany anaty, hatrany am-po tsy hita fetra.


Richieux ( 05 Août 2003 )
--------
Rohy:
1235 3
Mpakafy: orabory - ngafy - agnay
Hevitra mandeha
rhina ( 21/09/2009 07:48)
fitia fahazaza ve? tena misy reny kan
tena mahalaza azy tsara ny asa soratra mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : Richieux
Daty : 05/12/2005 00:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014