Voninkazo (Lova)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazo tsy nampoizina hamololona akory
Teny antany karankaina, maina sady ngazana.
Tsy hita hantenaina, toa maty toa matory
Tsisy hazo midoroboka feno rantsana hiantsampazana
Nefa zary maitso mavana, feno vony maro loko
Toy ny notondrahan’erika, ary koa voakolokolo.

Lalankely tsy antenaina ho lasana hatreny ampita.
Feno bozaka maniry, sy lavadavaka misankana,
Misy hantsana etsy andaniny, toa hisy tsilo tsy ho hita
Atahorana aok’izany sao ankady no mamantana
Nefa dia nanitsy mora, hihatsara hatrany hatrany
Ka tonga soamantsara teny antany feno mana.

Volantsinan-kateloana, mbola tsy ary hazavana
Mamakivaky habakabaka feno rahona manambana.
Niakatra hatrany sy naneho ny hatsarany.
Ka tonga nanazava ny alina, nahitana izay hombàna

Vatako marofy, fo marefo mitsilopy
Reraky ny adimpiainana sy ny hetraketraky ny hafa
Feno fanahiana mafy, mila hery mila toky
Matahotra ny fitaka, manahy mafy sao haratra.
Nefa tojo anao ka tia, feno toky feno hery
Ataoko ho mandrakizay, ankitsimpo fa tsy antery

Manantena anao ny foko, fitia mangarahara
Ka satriko anio ihany dia hiakatra alitara.

Lova ( 07 Février 2012 ).
--------
Rohy:
1172 2
Mpakafy: orabory - Richieux
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : Richieux
Daty : 28/01/2013 14:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149