You are here: home > Vetso

AMIKO NY TIA - MADAÏES(danny)

Teraka tam-poko 'lay fitiavan'olon-tokana,
Teraka tsy nahy ,na tonga toa sompatra,
Teraka dia tia,nitia ka nania,nania ilay fitia.nifidy koa satria ,!

Heritreritra hasambarana,ny hanana namana,
Nitady fiadanana kinanjo nofo mangana,
aretina hafa kely aretim-po miaro fery
Ratra tsy hita maso anaty toa akaso

Mandrak'ankehitriny,ratra mankadiry,
fa isaky ny mitia,dia eny ampaladia
Amiko tsisy tia fa miatsaravelatsihy

Ny tia anefa hono fizara ny alahelo,
Raha samy tia hono de mamerpvero
f'izay mitia moa tsy sendra hasambarana
f'izaho irery ihany no sendra ratsy lalana
Amiko ny tia dia tombon'ny tanora,
satria ao daholo ny mety mahadona


amiko ny tia ZAVA MIAFINA
DANNY le 06.01.1999

Hevitra mandeha

tizia (05/10/2006 17:59:39)

tena marina izany e!

Hametraka hevitra

Midira aloha