Tena ho anao ! (MADAÏES(danny))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
saikatra aho te hilaza .
ny ato am-poko aminao
sao mantsy sendra angamba .
sy izay tsy sitrakao

nefa indro fa holazaiko
tsy angatahako andro intsony
f'ianao no tena andrandraiko
hampamelan'ity vony

raha misy tiana ho ekena
sy omena ny izato ahy
dia ianao no volamena
zay nandrotika fanahy

eny tsisy iray tavela,
mitsiranok'aminao
koa raiso f'aza azera
ity foko mitalao.

irony ho avy antenaina,
hamiratra ho antsika roa
ka na masoandro izay migaina
sanatria ny hizara roa

zany voadiko aminao,
tsisy mahavoatonon'azy
koa dia asakasakao
ity fitia tsy vazivazy

ho anao ry tiana ity kalo
hoentiko hilazana teny
eny tia tsy ho fahavalo
fa ho anao ombieny ombieny

france 220.506
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2099 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MADAÏES(danny)
Nampiditra : vitsika
Daty : 23/05/2006 11:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099