You are here: home > Vetso

Soanierana - Mahefa Randriamiarisoa


Soanierana

Tsy ho voatanisako etoana, ny tantarantsika lasa,
Efa ho telopolo taona no voarakitra ho lova;
Nifangaro tao daholo: fitadiavana sy asa,
‘Reo fombafomba manontolo,
‘Reo fety maro izay kinasa.

Tao ‘reo andro maharavo, nitondra tsiky sy hafaliana,
Tao no nanandràtana avo ny hasin’ny fianakaviana;
Nanakambànana ho iray, olon-droa mifankatia,
Nampiavànana  ny ray sy ny zanany nania.

Tao koa ‘nefa etsy an-dàniny, ranomaso sy akiviana;
Taona maro nifanesy, nandeferana, niafiana;
Nizakàna zava-mafy, nisotroana ny mangidy:
Fahatsiarovana tsy satry, na marary aza tadidy.

Soanierana, tanàna-kely tsy ho hadinoiko;
Na dia lavitra aza ianao, mbola akaiky ‘zany foko.
Na mangiana tsy miteny, indro reko toa mibitsika
Manako eny rehetra eny, ny angola-tsiokanao mavitrika

Amin’izao anio izao no hifandaozantsika indray,
Tsy fotoana fohy anefa toy izay efa lasa izay,
Fa veloma ts’isy fetra no voatery apetrakay
Ho anao Tanànanay.

‘Zaho sy ny havako rehetra no mitodi-doha handaho
mankasitrak’ eram-po, velon-tsaotra ho anao
Ny ho avintsika tafasaraka, enga ho lasa modely
Ny ampitsonao  ry Soanierana, aok’ho tondraka tantely !


Ma-F
26/11/2003

Mombamomba

Mpanoratra : Mahefa Randriamiarisoa

Nampiditra : vazimba22
Daty : 27/11/2003
Mpamangy : 1895
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Vaky ny ady!

Hevitra mandeha

hery (29/11/2003 01:59:08)

Tena tiako ity tononkalo ity. Fa Soanierana aiza ho aiza izany? Any ambanivohitray koa mantsy misy hoe soanierana.
Misaotra betsaka.

vazimba22 (01/12/2003 11:47:47)

Soanierana/Ankadimbahoaka io ka! firaisana faha 4 ao Antananarivo.

tsimanontanilahy (09/05/2006 13:09:00)

Mahefa à!
misy tononkalo ho an'ingahy ato. Lohateny "Taranaka Mahefa". Mankasitraka é!

Hametraka hevitra

Midira aloha