You are here: home > Vetso

Vaky ny ady! - Mahefa Randriamiarisoa

Vaky ny ady !



Tsy mahasakan’ahy tsy hifaly raha ny halaviran-tany

Tsy mahatohitra ny foko, tsy hitempo haneho fitia,

Raha ny lanjan’ny tomany tsy hampiova, sanatria

Ny herin’ny fanantenako: Izay no aingako aty.



Raha ‘zay vola tsy ampy lava no haha-ketraka ny saiko,

Raha ‘reo olon-kirian-dava no hampiferitra ny aiko,

Dia hanjary zava-poana, ‘reo sorona sy fihafiana

Nentiko nanangan’ady taminao rafahoriana.



Ianao koa raha fahantràna, miomàna ny ho kamboty

Fa handao anao tsy ho ela ireto havanao mahatoky:

Dia ny fisalàsalàna, akamoana, fanao ratsy,

Ho avy handalo fitsaràna, ho voaheloka ho faty.



Mitsangàna ianao raha sahy ka tohero ny ambom-poko,

Avy aty raha lehilahy sahy mandà ny fandrosoko,

Satria raha ny amiko no heverina, maty paika ny rehetra

Roso ‘ty ka tsy hiverina, fiadanana no fetra!



Ma-F

Mombamomba

Mpanoratra : Mahefa Randriamiarisoa

Nampiditra : vazimba22
Daty : 27/11/2003
Mpamangy : 2255
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Soanierana

Hevitra mandeha

tsimanontanilahy (09/05/2006 13:07:38)

Tsotra sady marina, fa avy eny Ambohimanarina

zandrikelytf (10/01/2013 17:18:10)

tohiza fa tsara fa aiza indray ny manaraka é

Hametraka hevitra

Midira aloha