NY ADIKO (MAHEFALISON)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa mbola hangina aho ry Firenena tena tiako?
Ve ny tanako mangovitra no hanakana ahy
tsy hanoratra ho anao tsy amin’ahiahy?
Satria mandevy anaty loatra ny ady fihantsiako!

Eny! Nihantsy ady aho. Fa tsy taminao mihitsy
fa tamin’ny Fahantrako! Fahoriana lava;
tamin’ny “marainako” zara raha mazava,
sy tamin’ny alin-keliko feno ny “tsy misy”.

Tsy taminao velively fa tamin-jadona ampiharina
miantefa aminao, mianjady amin’ny oloko.
Tsy ianao no itezerako, tsy ianao no fahavaloko
fa ny fijalianao tsy mila ampahafantarina.

Nihantsy ady aho fa tsy mifofo ny ainao;
Ady latsa-paka sy mikoriana anaty rako
tsy avelako ho tapitra fa kaloiko mba hanako
any am-poto-tsofinao. Amin’izay handre ianao!

Handre ianao ny fitsatoky ny angadiny
erý an-tanimbary raha vao mangiran-dratsy;
Handre ianao ny fifohazam-badiny
isan’andro, isan'andro handeha hitady vatsy.

Eny handre ianao fa miady izy anio
noho ny dian-tongotra efa mila hankalao
iainany isan’andro. Mbola miady aho anio
fa mitanila ilay “masoandro” miposaka ao.

Ka moa hahita tory aho ry Madagasikarako?
Ve ny aiko izay fofoina hampihemotra ny adiko?
Sanatria ry Tanindrazako! F’izay no tena fadiko
raha mbola eo ianao mitoetra ho anjarako.

MAHEFALISON –
(in "Ambadiky ny Misy")
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo
1181 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : Mahefalison
Daty : 15/02/2013 12:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141