You are here: home > Vetso

IMIAVAKA II (FENO TSIKY) - MAMPANDRY NY AINA Manitra

R' ilay feno tsiky nanaingo ny alin-torovoka teto.
Tsy tanan' ny peniko indray ity ny sento
Natambolimbolin'ny siokan' ny fody!
Fa namela "dindo" sy "dia" mitampody

Dia manina irery no ory sy ongaina.
Navadibadin' ny saina maraina
Ny tsiaro rehetra
Ka nanjary tsy "efa" ...

Nanjary fofotra hatramin' ny aleha.
Indrindra fa vantany vao nahare
Ny vaika nararany taminao izany.
Nandefa hanina iray naminany...

Hoe fo tsy mitepo sa fo manahoana?
Ny valiny omeko dia "fo babangoana"
Fo tsisy loha sady fo renon-tory
Tsy mitahiry fitiavana akory.

R' ilay feno tsiky nanaingo nandridra
Ny antom-pisiko.
Amiko ianao ilay " Miavaka" indrindra
Ka na hampaoriany aza hampifaliako.

...... fa olona tiako

MAMPANDRY NY AINA Manitra

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha