You are here: home > Vetso

LOZANAO - MAMPANDRY NY AINA Manitra



Lozanao ry olona
Namitaka ny fony
Lozanao nanonona
Hilaza hampitony
Ilay fery anatiny any
Lozanao niraika
Hamafa ilay tomany
Kanefa dia vao mainka
Nijanona ho mpitazana
Lozanao fitiavana...

Fa nionona any izy iny
Nionona satria
Ilay tsy manan-tsiny
Amin' ny resaka fitia
No novesaranao
Entana tsy zaka
D' izao...
Tsy lalim-paka
Fa naorina eo ambony
Ratsana efa boboka.
Ny herin-tsaina angony
Fa izao efa nidoboka
Ilay tsy mari-toerana.
Tsy tana dia tsy ferana...

Lozanao mihitsy
Fa vitsy
Ange akia
Ny tia ka tena tia
Na tia fa tsy tanteraka
Na tia fa mora reraka
Fa tsy mahay mitia
Mora very dia
Amin-javatra miserana
Dia mora miova toerana
Amin-javatra izay hita
Lozanao satria
Mora taminao ny nanakona ny anarany
Dia tapitra ny anjarany
Vita ny tantarany

MAMPANDRY NY AINA Manitra
13 jan 18

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha