You are here: home > Vetso

NOSY MITSIPOZIPOZY - MAMPANDRY NY AINA Manitra



Ny angolanao vahoaka miritsoka fahafahana.
Fa mbola firenena mikorosy fahana
Ity Gasikaranao.
Nofinofy lalina mihoatra noho ny nofy ny tolona natao.
Tolonao midradra.
Sy ilay ianao mivaza,

Mitaky fanovana.
Fa mainka mitakemotra mankany "fahantrana",
Ny tanindrazanao lazaina fa malala.
Malala tsy mahalala.

Dia raisina eo ianao, dia ho farany eo raha isa!
Fa ireo mpitondra teo izao efa sambatsambatra mahita paradisa.
Nahazo tombotsoa sy miaina izay nilaina.
Dia eo ianao madinika fatra-pitaraina.

Mitrongy izay hihinanana.
Mandrapaka ariary fa izay aloha ny an- tanana !
"Kodiny" sy potiny tsy afaka mikasy.
Ory ianao ry Gasy!

Masoandronao tsy lavitra fa mbola tena sarotra
Vao ho tonga fahazavana!
Rahoviana ianao no ho avotra ?
Hatreto aloha mihosona ny fota-pahotana.

Sy mandro anaty ranon'ny fandikan-dalàna.
Dia izany foana foana.
Malagasy hana.
Malagasy noana.

MAMPANDRY NY AINA Manitra

Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

mampandrynyaina (21/12/2017 15:37:30)

Otazako ny kanto dia harafitro ho feta
Koa aza manontany izay sompitra fiaviako, fa izy no poeta

Hametraka hevitra

Midira aloha