You are here: home > Vetso

Antso! - Mampikanto

ANTSO !

Antson’ny manina izany reko any ho any
Antso te-hiampita nefa toa voafehy
O!ry voron’iny, ilazao ilay tiako fa ny aty hoe tomany
Nefa aoka ihany ity redirediko ho lefy



Zany foko te-hitroatra, hamoaka ny ao anaty
Zany foko te-hikiaka, ny anaranao mazàna
O!ry tiako aleoko mody maty
Sy hikosoka izato eritreritra tsy tana



Antso iray tsy misy mpanoina
Antso tokana niandrandrako valin-teny
O!ry eritreritro tsy azo porofoina
Avilio zany saina, tsy hanantena ny “eny”


Mampikanto
12/10/03

Hametraka hevitra

Midira aloha