You are here: home > Vetso

Serasera - Mampikanto

SERASERA

Soa fa nisy serasera, ahafahana mampita
Ny fiainana, ny faniriana, eny hatramin’ny tsy hita
Io no hany mahalala izay fihetseham-poko
Na ny tsiky n any faly na koa ny toloko

Soa fa nisy serasera nahafahako nahatsapa
Fa ny fitia mora maty raha tsy mbola lalim-paka
Fiezahana nitia, nakafy irony hafatra
Hay moa eritreritra ihany fa tsy misy ny tonga lafatra

Soa fa nisy serasera, hitafako aminao
Ahafahako mandray izay mba ho kinasanao
Ao no andrandraiko, ilay tsikitsiky tambitamby
Nefa toa noraisinao fitia mitady tamby!

Soa fa nisy serasera, ahitana sedram-piainana
Ka ny hevitry ny hafa mety hampiova foto-pisainana
Ao koa no mety hanovana ny famindra
Ka ny tontolo izay jinery no ataoko tsara rindra

Soa fa nisy serasera
Tsy ahatsiarovana ny lera!

Mampikanto
26/09/03 à 11h35

Mombamomba

Mpanoratra : Mampikanto

Nampiditra : mampikanto
Daty : 29/10/2003
Mpamangy : 1520
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSY FANTATRAO!!!
ANY IANAO
FANTATRO!!!
Antso!
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !
Tonokalo ho anao

Hevitra mandeha

hery (30/10/2003 22:44:25)

Manja lé tononkalo. Tena azo avoaka gazety mihitsy. Mitantara ny expériences hita eto amin'ny serasera.
Misaotra é

mampikanto (03/11/2003 10:23:54)

Misaotra indrindra i Hery a! Aoka marina fa tena menatra b za a! Izay fa d ao aoriana angamba isika hanao vinavina ny hamoaka boky ny asa soratry ny namana sa ahoana hoy ianao?

Mankasitraka e!
Kanto

Hametraka hevitra

Midira aloha