You are here: home > Vetso

Tonokalo ho anao - Mampikanto

TONOKALO HO ANAO

Dia noraisiko ny penina, hanoratako ho anao
Toa mamolivoly ny ati-panahiko no indrisy fa injao
Irony vetsovetso sy ny eritreritra toa lafatra
Toa te-hahalala anao ry olona tsy fanatra!

Irony sombin-dahatsorany, irony andran-tonokalony
No manosika ahy te-hahafantatra ny kantony
Ilay fikasany te-hifanindran-dàlana
No nahavaka ny saiko teo an-tany ngazana

Hanoraty tononkalo aho hoy ianao tsy nisalasala
Dia nanoratra aho, saingy indrisy toy ny adala
Noho ianao tsy fantatro nefa mikiky ny adin-tsaiko
Ny fanirianao zato, mila haningotra ny aiko

Tonokalo iray mafonja no tokony atolotro anao
Nefa indrisy fa tsy mety fa toa lasa mivaona
Tonokalo iray tsara rindran miady rima
Saingy tsy mety vita na dia  ianao aza efa liana!

Mampikanto 28/12/03 21h52

Mombamomba

Mpanoratra : Mampikanto

Nampiditra : mampikanto
Daty : 29/12/2003
Mpamangy : 5836
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSY FANTATRAO!!!
ANY IANAO
FANTATRO!!!
Antso!
Serasera
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !

Hevitra mandeha

andriary (15/09/2004 18:36:25)

Lalina lay tonokalo!Ity ve no valin'ny hoe anoraty tonokalo aho ???
fatratra!

Hametraka hevitra

Midira aloha