You are here: home > Vetso

TSY FANTATRAO!!! - Mampikanto

Tsy fantatrao

Tsy fantatrao tokoa, ny ao anaty izay tsy fantatra
Tsy fantatrao indrisy, zary fono misitery
Tsy fantatrao mihitsy, eny mbola ho zary ankamantatra
Ilay ora sarobidy, andraindrany samirery


Tsy fantatrao tokoa, ny ao am-pony mangina
Tsy fantatrao indrisy, ny any an-tsainy any.
Tsy fantatrao mihitsy, eny na dia mahaliana
Mbola ho zary kobonina, zary gina koa ny tany

Tsy fantatrao! Eny tsy ho fantatrao

Mampikanto
Oktobra 2008

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Mampikanto

Nampiditra : mampikanto21
Daty : 02/10/2008
Mpamangy : 2821
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

ANY IANAO
FANTATRO!!!
Antso!
Serasera
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !
Tonokalo ho anao

Hevitra mandeha

Ryana (02/10/2008 17:41:34)

Tsara!
FA dia tena tsy fantatra hatrami'nny farany tokoa anie izany ê!!
Misy soratsoratro izay ohatry ny hoe mifamaly amin'io... Aleo jereko dia apetrako eto.
Mankalaza!
Ryana

mampikanto21 (08/10/2008 12:12:24)

Miarahaba an'i Ryana e!

Mankasitraka e!
Fa h@zao aoha dia ezahina kobonina ny any anaty any e!

Mampikanto

Hametraka hevitra

Midira aloha