Aloka Mangina (Mam's Onja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Nisy aloka mangina
toa fahoriana
tsy nitoetra fa nandalo
Izay namporisika ahy Ikalo

-Fa efa hitako ilay fahantrako
Efa hitako fa tsy afa-miarina
Izay nandrendrika izato hatsarako
Fa lany talohan'ny ratsiko ny marina

-Izay namotika ilay hafaliako
Tsy mety, fa mety hisaona
Nandrava nandripaka ilay fijaliako
Ilay nofinofy niriako efa faona

-Efa resy ka velon-taraina
Irery tsy afa-manoatra
tsy hita fa doma aman-tsaina
Ny fiainako maloka tsy hita mivotra

-Ray รด! eo anilanao no faniriako
Ianao no afaka anampy
Ianao no antom-pisiako
vonjeo aho fa manana ny tsy ampy
"Amen"
--------
Rohy:
703 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mam's Onja
Nampiditra : Mam's Onja
Daty : 26/08/2016 20:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137