Ny fanantenako (mam'tsiadino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanantenako tsy ho resy rahoviana
Fa manosika ahy hivoatra hatrany
Manery ahy hitady ny mamy
Fa tsy hamela ahy hitoloko mangina

Ny fanantenako tsy eto an-tany
Fa any akoatra ts takan'ny maso
Feno hasambarana lavitra ankaso
Ny anjarako efa miandry ahy any ho any

Ny fanantenako tsy foana tsy akory
Ny amin'ny hoavin'ity gasikara
Fa ray efa manomana fiainana tsara
Ka isika mba hanana fiainana tony

Ny fanantenako anao tsy ho very
Na ho lasa aza ianao izaho manantena
Fa ilay sapam-pitia hamoha sesehena
Ho lavitra ratra ka tsy hisy fery.
--------
Rohy:
1024 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mam'tsiadino
Nampiditra : Vahatraa
Daty : 25/05/2016 11:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133