tsy ianao irery (mam'tsiadino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy ianao irery
fa ny malagasy toa anao
no mahatsapa f voatery
sy mijaly lava izao

tsy ianao irery
no mizaka hirifirim-pahoriana
ka mahatsapa fa toa very
anaty aizina mangina

tsy ianao irery
no mijaly mahonena
mahatsiaro ho irery
noho ny tsindry hazo lena

tsy ianao irery
ilay mbola manantena
fa ho afaka amin'ny tery
sy hanantona ny fandresena

tsy ianao irery ihany koa
no mitomany ankehitriny
ho an'i madagasikara soa
dia anjakan'ireo vahiny

tsy ianao irery hatrany
no mivavaka isan'andro
mba ho foana ny tomany
ka ny azo atao dia miany

ary tsy ianao irery
no ho faly raha misy
ho voavotra ny very
sy ho foana ny kirizy.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1044 1
Mpakafy: Vahatraa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mam'tsiadino
Nampiditra : vahatraa
Daty : 24/06/2016 18:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135