fito febroary (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asabotsy fito febroary
No niseho sy niharihary
Ny herim-pon'ireo vahoaka
Tsy nisy niala sy nitsoaka
Teo amin'ny kianjan'ny 13 mai
Hanohana an'i TGV

Vahoaka Hendry sy milamina
Nanaja tsara ny rindran-damina
Hametraka praiminisitra
Hanala izay tsy ao anaty lisitra
Ka niaraka nirohitra
Hanatitra eny Ambohitsirohitra

Kanefa inona no nitranga
Miaramila, bemoranga
No nandripaka vahoaka
Tsy nisy afaka nitsoaka
Fa variraraka any zany
Be no lavo tamin'ny tany

Tao ny maty avy hatrany
Ny ra, miparitaka aoka izany
Faty etsy , faty eroa
Mitsitsitra eny avokoa
Ireo rotiky ny bala
Fa izy hono tsy hiala

Fa ho aripany avokoa
Izay miseho ho beloha
Handrobaka ny fahefana
Eny an-tanan'i satana
Monina eny Ambohitsirohitra
Sy eny Faravohitra

Fa devoly lava Rambo
No miseho midingindrambo
Mampamono tsotra izao
Ny mpiray tanindrazana aminao
Tsy misy fo mitempo intsony
Angamba amin'ny vatan-dry lerony

Kanefa na izany aza
Aza ato hoe hevi-jaza
N'inona n'inona mitranga
N'inona n'inona midona
Ny tolona tsy maintsy mandresy
Masina ny tanindrazana
--------
Rohy:
1212 1
Mpakafy: poussih1
Hevitra mandeha
llaingoo ( 08/05/2009 08:22)
Ny agegeny retsy no te andeha ho eny amin'ny zone rouge a. Mba hampianaro ny ankizy ny lalana tokony halehany amin'ny manaraka.
ketta ( 13/10/2010 09:06)
Rehefa afaka ny dimy ambin'ny folo taona any ho any dia itodiho iny indray andro iny, angamba mety ho hafa ny fijerinao azy, noho zao anio zao.
Eo ianao ry Manantena vao mety ho gaga fa hay ve ka toy ny ondry asesika ho voinina ireto antsoinao hoe "vahoaka tsy manantsiny", Izaho sy ny tantara kosa amin'izay sahy hilaza fa vendrana sy donto izy ireny
Ekena fa tsy matimaty foana tsy akory fa nandatsaka ny rany ho an'olom-bitsy, saingy tsy ho an'ny Firenena akory
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 14/02/2009 07:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014