tsy misy hitarainana (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tanindrazana malalako
Izay ho lovan'ny taranako
No injao mitaraina
Fa efa mihatra aman'aina
Ny hirifirin'ny fiainana
Tsy mba misy hitarainana

Fa ny vahoaka dia sahirana
Ny mpitondra faly mihinana
Tsy mijery ny ambany
Efa mandady amin'ny tany
F'efa lafo be ny fiainana
Tsy mba misy hitarainana

Ny asa atao koa tsy misy
Mahonena anefa indrisy
Tsy misy intsony azo atao
F'ataon'ny mpitondra kilalao
Mampalahelo ny fisainana
Tsy mba misy hitarainana

Dia minoa fotsiny ihany
Izay no baiko re hatrany
Fa mbola ho avy ny maraina
Izay efa tsinjoko ao an-tsaina
F'ilay maraina omaly ihany
No miverina androany

Fa ny teo ihany no miverina
Sy mbola hitsingeringerina
Fa tsy misy fiovana
Ny ataon'ny fitondrana
Mampalahelo ny fisainana
Nefa iza moa no hitarainana
--------
Rohy:
1258 0
Hevitra mandeha
endrika01 ( 18/01/2009 11:07)
mhhhh!tiko be lay hevitra fonosiny
tononkalonao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 17/01/2009 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022