Ny poetako (Manatsiala)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY POETAKO

Tsia, tsy tontolo hafa akory
no hitoeran’ny Poeta
nefa
sarotra aminao ny manakatra
ny zavatra
raiketiny ao anaty
izay kajiany tsy ho faty
Satria ny hany mba talentany
tsy naleviny aman-tany
nokoloiny hatrany
tsy ho very, tsy ho lany

Tsia, tsy adala mihitsy akory
ireo lazaina ho Poeta
nefa
noho ny tsy fahaizanao mifehy
ny teny
avoakany soratany
Dia hainao ny mitsara fahatany
fa mifoka ahitry ny tany
ny hateloan’ireo
mpanoratra mitaky fikoloana
ny teny izay sakaizany.

MANATSIALA
--------
Rohy:
1124 0
Hevitra mandeha
hasinina ( 10/06/2009 09:19)
Manatsiala indray io.
Maninona itony no tsy mba nantsaina tany amin'ny alimbetso e.
Mba manorata momba ny alimbetso, tsy voatery tononkalo fa na lahatsoratra tsotra aza.
tahirintsoa
endrika01 ( 11/07/2009 01:39)
Manatsiala> mba hazavao ilay hoe ...mitaky fokoloana ny teny zay sakaizany...

Lay hoe : fokoloana no tena tsy azoko :D
manatsiala ( 06/11/2009 21:57)
fikoloana le izy fa tsy fokoloana fa miala tsiny
fikoloana tahaka ny oe mikolo (manatsara) misaotra e
endrika01 ( 15/11/2009 09:29)
sotsa eh,mazava tsara kah!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Manatsiala
Nampiditra : manatsiala
Daty : 04/06/2009 21:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144