You are here: home > Vetso

Eny andalana - Mandefitra

Eny andalana

Eny andalana ombana,
misy fitaka mazàna
mety ko fakam-panahy
fa raha ny tiana no mitana
tsisy lalana malama
Foana hatreo ny ahiahy


Eny andalana hodiavina
mety ho maina moa ny ravina,
fa mbola ho maintso ny eny antsaha
Raha ilay tiana zay notiavina
Tsy mivadika, tsy miavona
ny adiady ho voavaha


Eny andalana hizorana,
mety ho lavo mety ho torana,
fa mitraka tsy manahy
Ny fitia nifanolorana
no zary tady hifatorana
@ ilay silaka am-panahy

Eny andalan ny fitia
satry foana hiaradia
Zanahary no mitahy...

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

fiaritiana (01/02/2006 16:13:36)

ouuuuay zany hakantonà-asa soratra e!mahafinaritra be!

zoky (02/02/2006 06:03:58)

tena efa lasa mpanakanto mitsy an!

Mandefitra (02/02/2006 11:22:41)

Misaotra tompoko

Hametraka hevitra

Midira aloha