You are here: home > Vetso

Hangina aho - Mandefitra

Hangina aho
De napetrako ny peniko
f' inona hono zay mba za, manoloana  ireo vaventy!
Ny tiako ambara tsy ho teneniko,
f'iza moa no hiraharaha na hanompy maso vetivety?

Aleo hakomboko ny diary,aoka ho ahy fa tsy zaraiko
ny ratram-poko naharary, na zay nahamirana ny saiko
na ireny redirediko raha sendra irery anebantany
iza moa no mba hitsetra... ahoany inona izany

Kely sady tsy malaza , tsy fantatr'olona akory
Mbola manao hevi-jaza, tsy mbola mendrika hitory
Tsy mba irony mpanakanto, fa vetsovetso toa terena
ny fahendrena de miato,aleo mangina Volamena

Sokajy : Fiononana

Hametraka hevitra

Midira aloha